<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>I.D. Sankey</author>
<hymn_number>138</hymn_number>
<title>Ty no andro maharavo FFPM138</title>
<lyrics>[V1]
 'Ty ny andro maharavo,
 Ora fifalianay ;
 'Lay Mpanarina ny lavo
 No niady ho anay.
 Haleloia !
 Ho Anao Mpanjakanay.

[V2]
 Azonao ny fandresena,
 Ry Mpamonjy velona !
 Vitanao ny famonjena.
 Tafantsagana Hianao.
 Haleloia !
 Ho Anao Mpanjakanay.

[V3]
 Resinao ny fahotana ;
 Voavoha ny fasanao
 Torotoro re Satana ;
 Afaka ny olonao.
 Haleloia !
 Ho Anao Mpanjakanay.

[V4]
 Ry Mpandresy
 fandozana !
 Raisonao ny hajanay
 Ry Mpamonjy,
 mitantàna,
 Tano ho Anao 'zahay !
 Haleloia !
 Ho Anao Mpanjakanay.</lyrics>
</song>